Zarainy (Nosy Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Zarainy,

Tazoniny ho azy irery,
Tsy zarainy velively,
Ny ratram-po mangeja,
Ny lalana mideza.

Tazoniny ho azy irery koa,
Ny adi-tsaina, zava-manjo.
Tsy hampalahelo olo-tiana,
Aleony hatrany hoe mangina.

Ny tsy fisiana ao antrano,
Tsy tantarainy toy ny angano.
Ka zovy ny hangataka na hitalao,
Miandrandra hatrany fiainam-baovao.

Fa  zarainy mandavataona,
Ny fahavononana hiatrika foana.
Na inona hidona, na inona hiantra,
Ny fanantenana, tsy ataony mahantra.

Zarainy tsy misy Fetra,
Ampahafantariny ny olondrehetra.
Na mafy aza ny fiainana an-tany.
Tsiky tsy mety lany no asetriny izany.

Nosy Malala
Mey 2022
--------
Rohy:
403 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148