ZAZA TIANA (Nosy Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ZAZA TIANA

Zaza tiana hono tsy hitsitsiana ratsankazo,
Vao tsy mety ny atao avy hatrany dia mahazo.
Matetika ilay zaza vao maika lasa mafy loha,
Na feno tahotra isanandro noho ilay ratsankazo.

Tsy ratsankazo ihany fa ny ozona, latsa mahavoa,
Fanambaniana, indraindray zakain'ny zaza koa.
Marina aloha fa ny zaza tena misy mafy loha,
Fa izy ireny anie mba mila fitiavana ihany koa....

Ny fo tony dia tena zava-dehibe...
Aleo tony tsara vao mananatra r'ise.
Ny fo rehefa tezitra tsy vahaolana anie.
Miakatra ny tosi-dra, lay zaza bedibedy be.

Ny zaza koa anefa raha taiza zaza mpanjaka,
Atao izay ilainy indraindray toa mahantra .
Dada sy Neny anie tsy ho eo foana ka hibata,
Raha sendra tonga ny tsy misy zay vao hidonaka.

Sarotra ny asan'ndray amandreny,
Miteraha de hahita raha tsy mino hoy raneny.
Ny fananarana miverina ombieny ombieny,
Mba hanana ny tsara fa tsy zaza mirenireny.

Ny fitaizana indray tsy misy ifampitsarana,
Samy manana ny azy ka tsy hita hifandrarana.
Ny traikefa'ny hafa tsy voatery hoe maodely.
Fitiavan'ny dada sy neny no tsy ho adino velively.

Nosy Malala
mars 2021
--------
Rohy:
605 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147