ZIPO FOHY KELY (Nosy Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Zipo fohy kely,
No anaovan'ny mademoisely,
Mankany antsekoly,
Toy ny hiala voly.
Dia bedindramose,
"Aty anie tsy fampiderana fe".

Zipo fohy kely,
No anaovan'ny ramatoa kely,
Mankany ampiangonana,
Moa tsy mitonantonana.
Jereo anie ireto maso ny mpiangona,
Nefa tsy izany mihitsy no tanjona....

Zipo fohy kely,
No anaovan'ny madama kely,
Mankany ampiasana,
Maro ireo mihanahana.
Ny fifandraisana mafampana,
Toa tsy andry izay iravana.

Fa ny Zipo fohy kely,
Dia safidy samy irery.
Fa raha maso tsy zatra mijery,
Sahirana ihany amin'izy ireny.
Raha jerena ny fomba fitafy,
Toa hafa ihany'lay tena Malagasy.

Moa va tsy samy manana tanjona,
Ireo mpiakanjo zipo fohy miantona ?
Ireny angamba no atao hoe maodely...
Na koa mba manintona masom-pijery.
Fa na fohy kely na lava anie izato lamba...
Ny mpianjaika sy mpitazana, tsara mifanaja.

Nosy Malala
janoary 2021
--------
Rohy:
1068 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148