Zoto, (Nosy Malala)

Nantsain'i hery
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Zoto,

Tonga ny fotoana hiverenana hianatra,
Ny saina anefa toa tena mbola vahatra.
Hitohy hatory atoandro, hifoha, hilalao,
Izay no safidin'ny ao ampoko ao.

Any anefa izao, misy tsy mahandry,
Hiverina antsekoly, hibanjina ny ho avy.
Misy ihany koa, maniry mba hianatra,
Saingy ny fahefana, tena tsy maharaka !

Misamboaravoara ny fo sy ny saina,
Hazoto ary ve sa mbola hitohy halaina ?
Ny fiainana mantsy, tsy vitan'ny toloko,
Sady tsy misy mafy, tsy laitran'ny zoto...

Nosy Malala
Septambra 2023
--------
Rohy:
418 0
Hevitra mandeha
TononkaloNM ( 06/11/2023 13:00)
Misaotra betsaka an'i Hery niantsa. Mety be foana รด!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0157