ANGAMBA (Ny Afy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Angamba tsy ho tsiniko raha hanao veloma,
ka hikopa_tanana handao anao etoana,
na tsy fidiny aza ,izao angaha no tsara
isika koa manaiky ny lahatra sy anjara.

angamba tsy hotsiniko raha hody aho,
hisitaka handao izao tontolo izao
fa efa ampy izay, vitako ny adiko
hiara_itoetra amin'i Jesoa Kiadiko.

Angamba tsy hotsinin'ilay Ray izay haka ahy,
ny nofoko hajanony fa Azy ny fanahy.
ka tsy maintsy alainy hisondrotra ambony,
dia isaory izy f'izay no sitrapony.

angamba tsy hitomany na halahelo akory,
ireo tapaka sy namana hiara_miaritory,
fa mantsy ny fanahiko dia lasan'Andriamanitra,
ka ny hira no ataovy hanaka_danitra.

angamba izay ihany ny teny holazaina
rehefa avy eo manko dia ho faty izato aina,
ka ny vatako hangatsiaka , ny fanahy hisondrotra,
dia mahatsiarova tena fa ny andronao antomotra.

Ny Afy t@ 15/04/15
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
776 1
Mpakafy: Eliasy
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Afy
Nampiditra : javi_wise
Daty : 18/09/2018 14:33
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142