TSY HODY AHO (Ny Afy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Notapahiko ny hevitro,
notinapako avy hatrany
fa efa izay koa ny heritreritro,
tsy hody kely aho androany.

f'aleo 'zaho andeha hanjena,
hitety irony lohasaha
assa raha fitiavantena a!
f'izay aloha no mety angaha?

satria tsinjoko sahady,
fa raha ohatra aho mody any
dia vonona hivantana ady,
kotaba be hoarahin_tomany.

k'izao ny ahy no tsoriko,
ny foko ane efa marary e!
nareo anefa tsy ho voatoriko
dia avelao zaho 'loha ijaly.

ka androany anio alina
'zaho tsy hody kely indray.
fa rehefa mba milamina
antsoy aho hody amin'izay .

NY AFY.
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
891 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Afy
Nampiditra : javi_wise
Daty : 03/09/2018 16:51
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014