TANTARAM-PIAINAKO (Ny Afy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Inona ary no ambarako,
raha holazaiko ny tantarako
va mba misy hotantaraina?
tsy haiko ry mpamaky hajaina.

nefa raha ny amin'izany,
dia misy saingy kely ihany
satria tsotra ny fiainako
tsotra loatra ny fisainako.

tantara tena fohy dia fohy,
indray mihaino tsy mitohy
nefa raha mahaliana anao,
ny asa soratro araho,

fa tiako ho fantatrao sahady
f'izaho dia olo_miatrik'ady,
mizaka irony tena mafy
tsy iza 'zany f'i Ny Afy!!!

NY AFY,t@ 14_06_17
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
880 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Afy
Nampiditra : javi_wise
Daty : 18/09/2018 14:15
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148