SENTON_TSASAKALINA (Ny Afy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Angamba hoy aho,
angamba ho anao
ny antony hanoratako,
raha tsy 'zany moa
dia hoan'iza koa e!
tsy haiko tsy mba fantatro.

fa raha tsy nisy anao,
nanokatra nijery,
ary avy eo namaky
dia ho maimbo lao ,
nipetraka irery
itony taratasy,
nefa moa soa fa teo ianao.

soa fa teo ianao
ilay hany nampaharitra
ity asa niangaliana
f'ireny no natao,
dia ny ahatonga anao finaritra
ho feno fifaliana.

ka mba tsy very maina,
'lay fotoana lany
izay nentiko nandalina
satria moa sombiniaina,
mba novakiananao ihany,
ity senton_tsasakalina.

NY AFY.
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
957 1
Mpakafy: AlphaTokiniaina
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Afy
Nampiditra : javi_wise
Daty : 03/09/2018 16:30
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136