VELOMA JIABY (Ny Afy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hatrany ambony, hatrany ambany,
ny rehetra anatiko any
dia efa tapitra voapentina
mangirifirin'ny aretina

kanefa hiezaka aho ho mirana,
fa ny tena moa sahirana
ka dia tsy misy fitsaboana
f'efa miandry fiantsoana,

dia handeha tsy hiandriandry
hody aho, hody mandry,
rehefa vonona am_panahy
hifanatrika amin'ny ray

manao ny kopakopa_tanĂ na,
f'izaho handry am_piadanana,
'zany hoe hifindra lasy ,
'ndeha hanaraka an'i Vatsy,

dia mahereza, aza ory,
f'izaho tsy maty fa matory
nisitak'ireo ady mafy ,
VELOMA JIABY HOY NY AFY.

NY AFY , t@ 20_06_17
--------
Rohy:
921 1
Mpakafy: Rt.JOSVAH
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Afy
Nampiditra : javi_wise
Daty : 13/08/2018 08:27
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0211