Ery am-patsakana (Rahira)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ery am-patsakana
Tovovavy iray bikana
Mahalasalasa saina
Toa variana maka rano
Izany hakanoton'olombelona e!

Somary lavalava volo
atopatopandrivotra manafitra ny tavany
Toa mikatso ny tontolo ka mitokona ny ora
amin'izay rehetra hitoerany

Indrindra moa fa raha mamindra...
Toy ny liona masiaka ka
mandrotika avy hatrany ny saha fitoeran'ny fitia mbola matory
Amin'izato bikabika mampiparitaka hatrany hanitra mamerovero
izay manintona ny maro sy mapierika mpandalo.

Saingy indrisy re rahavako,
Fa nohon'ny fitsipiky ny elanelan-tany dia
tsy azoko atao na dia mikasika iray monja amin'ny singam-bolonao.

Fa raha azoko eo ianao a!
Ho fatorako avy hatrany amin'ny tadimahazakan'ny fitiavako mahery,
Avy eo dia ho gejaiko eo an-tratrako tsy hiala ka hampatoriako mora eny an'habakabaka eny...
Amin'izay tsisy mahalala

Ka alaiko ho ahy daholo na ireo sombintsombinkalo
na ireo kantonao malala a!
Hay moa mbola tsy MALALA
Fa tiaviko iny ianao na dia tsy mahalala izany
Izay no azoko atao,aleo mitsiriritra ihany...
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
877 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rahira
Nampiditra : Nyakosombinaina
Daty : 20/07/2017 07:26
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105