You are here: home > Vetso

Jereo ny Taninao ! - Rahira

Azo vakiana?

                          Jereo ny Taninao !
Jereo ny Taninao
mangaina sy mangina
Jereo ny taninao
fa aza mba variana

Jereo ny Taninao
henoy ny fitarainany
Mba tiany ho tsapanao
ny zava-misy hiainany

Ny Taninao jereo fa
tsy mba misy mihaino
ny hiaka sy toreony
Ny fahoriany hiaino!

Ny Taninao jereo f
arovy fa aza avela
hijaly fotsiny eo
Faingana aza ela

Jereo ny Taninao !

Hametraka hevitra

Midira aloha