You are here: home > Vetso

Tiako foana ianao - Rahira

Azo vakiana?

                           Tiako foana ianao
Angamba tsy ho tsiniko raha toa aho mbola tia
Na dia voaratranao aza ny foko adalada dia...
tsy mitsahatra mitepo ilay fitia ho ianao satria
ny hakantonao tsy niova,f'ilay natsoiko hoe malala.

Dia angamba tsy ho tsiniko raha toa aho mbola tia
f'ilay angotinao nambabo ahy mbola reko eny foana
Na tsy angoty ho ahy  intsony aza izaho mbola hankafy
sy hanonofy ianao ho hiaka,isan'ora sy fotoana

Ka aza ataonao tsiniko raha toa ha tiako ianao
fa ny tsikinao izay tazako,toa miangola ahy hatrany
Na tsy tsiky ho ahy intsony aza, atao an-tsainao izao:
misy fo mandray anao ho malalany any ho any.

Ary aza ataonao tsiniko raha toa ka tiako ianao
f'ilay molotrao malandina dia raikitra ato anatiko
Na tsy hanoroka ahy itsony aza dia tiako tsotr'izao
satria ny ho tia ianao mandrakizay no toky sy voadiko.

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha