You are here: home > Vetso

Tsy adala ianao akory - Rahira

Azo vakiana?

                     Tsy adala ianao akory
Tsy adala ianao akory
fa miredy fotsiny ihany
Tsy adala ianao akory
raha misy manontany fa:
Poeta fotsiny ihany.
Tsy adala ianao akory e!
fa hambarao an'azy
Tsy adala ianao akory
fa mba mivazivazy
mamboraka hetaheta.

Tsy adala ianao akory
raha sendra variandriana
sy lasana vinany
Tsy adala koa ianao
raha mila fitoniana
Fa raha misy manontany
dia hambarao azy hoe:
Poeta fotsiny ihany

Dia kaloy ny hiranao
mba ho ren'izao tontolo
Kalio ny soratrao
ami'ny fonao manontolo
Fa tsy adala ianao akory

Hametraka hevitra

Midira aloha