IRERY (Ny Alimbetso Soa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nahoana no mitomany?
Malahelo sy mitakoko
Nahoana no manontany?
Irery va ny foko?

Eny sady tsia angamba
No valin'izany
Na ny maso no jamba
Difotry ny tomany

Asa,
Oviana vao hisava
Lay fahorian'ny fitia
Amin'izay ho tsiky lalandava
No hameno izato dia

NAS 01/10/08
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana - Fiainana
1174 1
Mpakafy: rentimpanahy
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Alimbetso Soa
Nampiditra : rentimpanahy
Daty : 13/01/2009 11:07
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0135