TOMANY (Ny Alimbetso Soa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Na ny zanako aza any aoriana
Aza avela hahalala
F'ilay Ray vontom-pahoriana
Maro mpankahala

Aza avela hanontany
Momba ny tantarako
Lazao fa vovoko an-tany
Ny androm-piainako


Raha toa mikiry ihany
Hahalala ny amiko
Dia ambarao hoe "TOMANY"
No solon'ny anarako

NAS
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1383 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Alimbetso Soa
Nampiditra : rentimpanahy
Daty : 07/01/2009 07:56
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014