Ho aiza moa? (Ny Alimbetso Soa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho aiza moa no ho avin'ireto ankizy marobe
Misaringo-borodamba mameno arabe
Tsy fanta-dray, tsy fanta-dreny
Avy aiza no fiavin'izy ireny?

Vatana maloto, kibo lonaky ny hanoanana
Sasatra mifako miady amin'ny tanana
Ny sisa efa lo eny rehetra eny
Saingy indrisy tsisy mpiteny

Iny lay kamboty, velondray manirery
Reraky ny fiainana, ory mpijery
Mitakoko, manantena ireo mpihantra
Mitalaho mafy ery hoe " mahantra"
Kanjo, adalana no valinteny azo
Daka mandrivorivo raha miazoazo
Hany sisa, mibaby tanana mody
Honina aiza anefa?
Lay ankany tranompody
zary efa nianjera
Ka eny rehetra eny
No hany tavela ho fiery

Nas
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
986 0
Hevitra mandeha
Zozoro ( 08/01/2009 21:23)
Ny omby mahia, hono, tsy lelafin'ny namany ary ny tsimbotry sy ny adrisa tsy mihara-matory....
Antenaina ve ny fisian'ny maraina ?

Misaotra.

Zozoro
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Alimbetso Soa
Nampiditra : rentimpanahy
Daty : 08/01/2009 07:25
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136