Tsy tazana (Ny Alimbetso Soa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Malomaloka tsy tazana
Iny faravodilanitra iny
Manentoento manitra
Lay dindon'ny fahiny

Manangasanga ila
Ny moron'ny kamory
Potipotika sy kila
Lay eritra natory

Tsiky iray nibahana
Ao an-tsaina sondrina
Tsy hita ho fafana
Lay endrik'olon-tiana

NAS 21/01/99 (16h 04min)
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
961 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Alimbetso Soa
Nampiditra : rentimpanahy
Daty : 08/01/2009 07:29
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015