Alina. (Ny Ami)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Amin'ity ora ity dia tsy eto an-tany intsony aho f'efa lasa niakatra any,
nandao ireo tomany,
hiala vetivety, hisidina hiakatra etsy.
Hitazatazana sy handinika izao tontolo izao
Dia ilay tontolo misy anao,
Misy antsika iky!
Andramako dinihina,hovisavisaiko izao rehetra izao
mba hiorina ao an-tsaiko sy itoetra aminao!

Ry Alina! ireo zava-dalinao tsy ho takatro doria
F'aleoko mankafy,
dia ataoko ampy izay
tsy hiteny "tahak'izay"
Fa hanatsahatra ny aizina hisolo hazavana
mba hitsilo ny tanana!


Ny Ami
--------
Rohy:
1249 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Ami
Nampiditra : NYAMI
Daty : 18/06/2015 19:24
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1162