Fotoana Fohy!! (Ny Ami)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Iray segodra no mazana manova ny fisiana
Mitempotempo tsy hay lembenana ka mampisitaka ny tiana
Manova ny tontolo sy mampiofo indray ny habaka
Miteraka alon-drano mampiforona ny lavaka!

Fotoana fohy mazana no hanadinoana ilay voady
Handranitana ireo ady
Sy hanomezan-tsiny ilay efa nofinidy
Hisehoan'izay mangidy,

Ny segondra koa mazana Hanosehi-bohotanana
Hanosena ireo tsy manana!!
ka ho zary ho taon-jato
Nentiny nilefa,nentiny niato!
Namadihana ny lasa ho zary vovo-tany
Sy ireo lasa tany ho any!!

Ny AMI
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1306 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Ami
Nampiditra : NYAMI
Daty : 08/07/2015 17:01
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101