Ny fitiavana? (Ny Ami)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny valinteny haiko
Dia ny tsy fahaizako mamaritra
Fijerena Tombotsoa sa fifamatoran'ity fo?
Tsy haiko ny mamaritra,
Zava-mahagaga?sa sabatra maranitra?aleoko tsy milaza
F'efa fantatrao ny herivaikan'ny fitiavana
Tsy hijerena havana.

Paradisa fanomezana sa helo mena fahaverezana?
Aleoko tsy mamaritra...
Ny mamy tsy ankijanona sa ny mangidy tsy azo hoanina?
Anjaranao ny mieritreritra!!
Ny fitiavana? Tany lonaka mamokatra sa karakaina feno rotaka?
........
Ny Ami
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1704 2
Mpakafy: james15 - nyami
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Ami
Nampiditra : nyami
Daty : 04/06/2015 10:10
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146