You are here: home > Vetso

Ampy ahy ianao - ny eja

Azo vakiana?

Ny tsikinao isa-marainako
Ampy  ho  fifaliako.
'Lay  fankaherezanao
mandrindra ny fisainako
sitrako  sy  tiako.
  
Ilay  fihin-tànanao maneho  fahavononana,
fa hiatrika izay  adiko,
indro fa nanala 'reo  geja sy  fatorana,
satria ianao  no  kiadiko.

Raha sendra ny hakiviana
'zay tsy  azoko  idifiana
dia vonona aho  hiatrika
izay  mety  ady  sarotra.

satria

Ny  tsikinao  dia ampy  ho andry  fiarenana .
Ny  fankaherezanao: toky  fanorenana.
Raha sendra aho  mitomany  fa tojo  ny  ankaso,
ilay  tànanao  inoako  "Mahafafa ranomaso "
Ny Eja 08/2005  

Sokajy : Fitiavana

Hevitra mandeha

hery (22/08/2005 19:54:21)

Mahafinaritra ahy ilay hoe "Ny tsikinao dia ampy..."

nyeja (23/08/2005 07:57:59)

faly aho be aho ry hery fa nahazo fanehoankevitra avy aminao marihiko fa voalohany izy ity ary efa tao anaty eritreritro tokoa ilay teny filamatrao io "tsiky dia ampy " fa hanohana anao hay tanteraka tokoa , mankasitraka hery a

totty (06/01/2006 18:47:22)

Mahafinaritra ery izany tononkalo nao izany ,tsara fa tohizo e!

nyeja (10/01/2006 16:19:13)

misaotra totty a

robin (02/01/2007 10:30:19)

Tena tiko loatra indrindra lay andininy farany : ..."ny tananao mahafafa ranomaso

nyeja (02/01/2007 10:56:52)

Misaotra betsaka Robin a dia mankasitraka anao mitsidika ny sangan'asako .

volana1 (26/01/2007 09:20:39)

Tena mahafinaritra be, mamintina ny hoe : na inona na inona miseho dia rehefa eo ianao dia sambatra aho.

Misaotra Ny Eja.

nyeja (26/03/2007 18:44:09)

Misaotra akia Volana a mankasitraka an !.

endrehina (28/04/2007 14:17:45)

mankasitraka ny eja a tena sambatra tsotra izao miitsy refa eo izy na inona na inona an

Hametraka hevitra

Midira aloha