Ampy ahy ianao - ny eja
Azo vakiana?
Ny tsikinao isa-marainako
Ampy ho fifaliako.
'Lay fankaherezanao
mandrindra ny fisainako
sitrako sy tiako.
Ilay fihin-tànanao maneho fahavononana,
fa hiatrika izay adiko,
indro fa nanala 'reo geja sy fatorana,
satria ianao no kiadiko.
Raha sendra ny hakiviana
'zay tsy azoko idifiana
dia vonona aho hiatrika
izay mety ady sarotra.
satria
Ny tsikinao dia ampy ho andry fiarenana .
Ny fankaherezanao: toky fanorenana.
Raha sendra aho mitomany fa tojo ny ankaso,
ilay tànanao inoako "Mahafafa ranomaso "
Ny Eja 08/2005
Hevitra mandeha
hery (22/08/2005 17:54:21)
Mahafinaritra ahy ilay hoe "Ny tsikinao dia ampy..."
nyeja (23/08/2005 05:57:59)
faly aho be aho ry hery fa nahazo fanehoankevitra avy aminao marihiko fa voalohany izy ity ary efa tao anaty eritreritro tokoa ilay teny filamatrao io "tsiky dia ampy " fa hanohana anao hay tanteraka tokoa , mankasitraka hery a
totty (06/01/2006 17:47:22)
Mahafinaritra ery izany tononkalo nao izany ,tsara fa tohizo e!
nyeja (10/01/2006 15:19:13)
robin (02/01/2007 09:30:19)
Tena tiko loatra indrindra lay andininy farany : ..."ny tananao mahafafa ranomaso
nyeja (02/01/2007 09:56:52)
Misaotra betsaka Robin a dia mankasitraka anao mitsidika ny sangan'asako .
volana1 (26/01/2007 08:20:39)
Tena mahafinaritra be, mamintina ny hoe : na inona na inona miseho dia rehefa eo ianao dia sambatra aho.
Misaotra Ny Eja.
nyeja (26/03/2007 16:44:09)
Misaotra akia Volana a mankasitraka an !.
endrehina (28/04/2007 12:17:45)
mankasitraka ny eja a tena sambatra tsotra izao miitsy refa eo izy na inona na inona an
Mombamomba
Mpanoratra : ny eja

Nampiditra : nyeja
Daty : 22/08/2005
Mpamangy : 4760
Mankafy : 6
Tononkalo hafa
Ny antom-pisiakoLasanao
MASIAKA IANAO RY FIARAHAMONINA
Fanahy Mendrika
Setrin'ilay fitia natolotra
Ho an'ny Hafa indray
Ilay fitiavako
IANAO
LAZAO IZY
Ny Voady omeko anao