Aoka tsy ho tsiniko - ny eja
Azo vakiana?
aoka tsy ho tsiniko
ny hamoy anao
dieny mbola tsy ela loatra
satria ny fombanao
miavona dia indro
tena tafahoatra ,
hany ka namoha
ity hamboko, hikiaka
tsy hay vitranina
fa \'lay fitiavanao
feno filafila
sarotra fantarina
aoka tsy ho tsiniko
ny miangavy mora
fa aleo aloha hatreo,
satria tsy dia iriko
ireo teny manakora
ho setriny avy eo ,
aza henoina akory
izay sento mety heno
ataoko mangingina
fiononako hono
no entin\'izy ireny
fa tsy natao ho valiana
Ny Eja mai 2005
Hevitra mandeha
nikopol (10/05/2005 15:14:19)
nikopol (12/05/2005 10:28:17)
miverina amin'ity resaka ity ihany aho fa mba sahy lahy zany olona nanao anao izany !!!! lol
tena tssss
fifa (12/05/2005 12:08:58)
tena tsara kah! lalam-piainana daholo zany!!
nyeja (22/05/2005 10:48:24)
misaotra an'i fifa sy nokopol nanome hevitra e fa nikopol kosa e fa angaha dia izaho foana no ventesiko eto e mba mety olona hafa kosa moa e
gasitiako (31/05/2005 07:53:47)
efa azo lazaina ho mahafehy ny teny malagasy enao, ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe : fiainanao ve no avoitranao @ tononkalonao sa aingam-panahy fotsiny tsotra izao?
totty (17/06/2005 19:58:36)
Voafehinao tsara tokoa ny teny malagasy,voalazanao ao amin'io tononkalo io ihany koa ny toetran'ny olona sasany tia tena,tsara fa tohizo hatrany
nyeja (18/06/2005 08:57:51)
misaotra an'i totty sy gasitiako hatrany e dia ho an'i gasitiako dia tsy fiainako io fa mba manoratsoratra e
rapisoukely (11/07/2005 14:49:36)
nyeja (03/01/2007 15:47:50)
Mombamomba
Mpanoratra : ny eja

Nampiditra : nyeja
Daty : 08/05/2005
Mpamangy : 1987
Mankafy : 3
Tononkalo hafa
Ny antom-pisiakoLasanao
MASIAKA IANAO RY FIARAHAMONINA
Fanahy Mendrika
Setrin'ilay fitia natolotra
Ho an'ny Hafa indray
Ilay fitiavako
IANAO
LAZAO IZY
Ny Voady omeko anao