You are here: home > Vetso

Asa aloha raha haiko - ny eja

Azo vakiana?

Alina aho nandahatra
Ireo antotan’isa
Ary dia   namantatra
Sy  namisavisa
firy  isanjaton’ny  fitiavako  tokoa
no  efa lasanao  ?

Dia nandresy  lahatra
ity  tenako  hiarina
Fa nangatsiaka loatra
ilay  toerana nanjahatra
tsy   itodihanao  !  

narafitro  ireo  teny ,
natambatro  ireo  fihetsika …
ny saiko  toa manjeny
mandefa eritreritra. ...

Dia niezaka aho  nandinika
Fa toa voahilikilika

dia lasana ny  saiko  
asa aloha raha haiko
fa sarotra vonoina
ilay  tambitambinao
toa tsaroako  foana
ireo  tokinao  farany , manjary  toa tadidy
na efa tsapako  aza,  fa hivadika mangidy

dia lasana ny  saiko  
asa  aloha raha haiko
ny  hamafa ny  tsiaroko
tsy  hitodika aminao  raha sendra mifanena,
moa  hiavona  sa hiondrika ?
sa  hiarahaba anao  mba ho marim- pahendrena ?

Ny zavatra angatahako  
sy tena  iangaviako
amin’Ilay  Mahefa
dia hery mba hafahako
miatrika ity  fiainako, tsy  hirefarefa
Ny  Eja

Sokajy : Fisarahana, fitiavana

Hevitra mandeha

ikotofatsora (24/07/2005 17:41:44)

Mafy tokoa izany ry Ny Eja nefa na izany aza kivy fa ho manga foana io lanitra io satria mantsy any ho any izaho namorona akany ato am-poko mba ho anao na lavitra aza tsy mandao .
Tena manana aingam-panahy tsy ananan'ny rehetra ianao ka ankasitrahako avokoa ny tononkalo nosoratanao
Misaotra e

nyeja (25/07/2005 08:52:22)

mankasitraka indrindra ry ikotofatsora a, misaotra anao manokana aho satria dia tena mankahery ahy ny teny omenao sy ny fanarahanao ireo tononkaloko
bizz
ny eja

bozzy (09/04/2006 19:46:37)

TENA MANME HERY AHY TOKOA IO TONOKALONAO IO RY EJA FA MISAOTRAA BETSAKA NAMORON AZY TOA FANTATRAO NY NANJO AHY MISAOTRA DIA MAHEREZA E

bitaka (23/06/2006 13:14:20)

tsy possible kosa aloha hoe 100% e!

nyeja (03/01/2007 08:21:21)

misaotra ry bozzy a zany ve tena mahafinaritra ahy mahafantatra fa nisy olona mba nakaherezin'ireo tononkalo keliko !

nyeja (03/01/2007 08:22:21)

bitaka a tena mafy be tokoa fa izao na 50% aza efa tafarina dia efa tsara zay a

endrehina (14/04/2007 13:32:57)

anisan'ny sedra efa nolalovako ny ambaran'ny tononkalonao ry ny eja mpakafy aho ary efa mba tafarina fa misaotra betsaka mampahery .tohizo foana fa za vonona hankafy e!

nyeja (11/01/2008 03:42:14)

misaotra indrindra ry endrehina an

felandefona (03/07/2009 10:44:10)

mampahery ilay tononkalo ...raha olona efa voa tahaka anay no mamaky an'io dia voaarina izy

Hametraka hevitra

Midira aloha