Ener lalandy (ny eja)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
(Ity tononkalo ity dia atolotro manokana ilay olo mangan'ny haisoratra Malagasy, mpanoratra, poety sady akademisiana, ENER LALANDY, nodimandry ny alarobia 02/03/2005 lasa teo)

Ener Lalandy ,
niezaka aho hahalala
izao fandaozanao
indrisy fa tsy takatro
ny mba hany fantatro:
dia ilay ianao feno fitsikiana
dia ilay ianao tsy laitran'ny hakiviana
dia ilay ianao mpanorotoro anay
indrindra fa ianao mpampianatra mahay

Ener Lalandy a
niezaka aho hilaza
teny mba sahaza
ny momba anao ihany
ny azoko ambara
sy mahalaza tsara
dia ny hoe" mamy "
mamy taminay ny fanampianao
mamy taminay ny fampianaranao
mamy taminay ny talentanao
mamy aminay ,ianao dia ianao

ka raha toa mangidy
fa mahafarahidy
anay ny fisarahana
satria ianao dia lasana
atelin'ito fasana ,
dia aoka ny hamamiana
hamafa fahoriana.
ny fiononanay
tsy maty akory ianao;
tsy maty aminay ny sangan'asanao
tsy maty aminay ny fampihomezanao
tsy maty aminay ny soa navelanao
tsy maty aminay ny fahatsoranao
fa mijanona mitoetra
aminay rehetra
ka entiko hamaranana
mandria am-piadanana.

Ny Eja 2005
Ny boky izay avoakan' Ny Eja (martsa 2005)mitondra ny lohateny hoe "ilay fitia " dia Ener Lalandy no nanolotra azy .
--------
Rohy:
Sokajy : Fahatsiarovana
1969 3
Mpakafy: nyeja - totty - rapisoukely
Hevitra mandeha
andriary ( 11/03/2005 13:13)
Ireny ka olo-manga!
ary ny mpanoratra koa efa sangany!
lazao anao y ny momba lay boky ry nyeja
nyeja ( 15/03/2005 07:06)
misaotra andriary an mpanoratra malaza sady nahafinaritra tokoa i ener lalandy sambatra isika manana malagasy tia ny tenindrazany .
totty ( 17/06/2005 20:02)
mahafinaritra izany tononkalo izany ,mahay manaja tokoa ny mpiray tanindrazana
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144