Eritreritra manadala - ny eja
Azo vakiana?
ny ranomaso mikoriana
atsefaky ny sento lalina
fa manembona olo tiana
izay efa hita fa tsy manina
Ny heritsaiko te hiarina
mba mizaka fa tsy afaka
ka manao sangodim-panina
mila hitsoka any an-davaka
Mba ovaiko ity eritreritra
ka milefa any aminy ihany
izaho ve dia maharehitra
lahijiro efa ho lany!
indro manirery foana
ary manonofy hatrany
ilay hakanton'ny fotoana
niarahanay izay tena mamy!
ka ny sisa azoko atao
dia ny mionona tokoa
ny fitiavany nandao
vita hatreo ny anay roa!.
Ny Eja 2004
Hevitra mandeha
hendry (08/05/2004 11:46:26)
Ny manova ny mety zany koa, hadinoy na lasa.
Fanontaniana: mba zavatra niainanao daholo ve ny voalaza @ tononkalonao e?
nyeja (08/05/2004 14:11:10)
misaotra an'i hendry nanome hevitra, ho valin'ny fanontanianao dia tsy voatery ny fiainan'ny mpanoratra no ventesiny ao amin'ny asa sorany fa mety fiainan'olona ihany koa nefa izany dia tsy midika koa fa nisy fiainany voalazany tsinahy tao anaty aingam-panahy.
sarondrahona (14/05/2004 08:34:05)
Toa fahendrena malagasy hatramin'izao aloha ny fiteny mipetraka hoe : "Tia irery ka mangozohozo", ka te -hiteny amin'i nyeja aho hoe : sao mba "Tanala very sampy ary ianao?-Ny manova no mety!
kanefa mahereza e!
nyeja (14/05/2004 17:10:25)
misaotra an' i sarondrahona nanome hevitra, sy nankahery !, misaotra koa ny serasera nanome sehatra manokana ny tononkalo .mankasitraka hatrany anareo .
robin (02/01/2007 09:44:16)
fahendrena koa ny mionona rehefa hita fa tsy antonona...
Rah hita tokoa fa tsy mety
Aleo manova vetivety
Mombamomba
Mpanoratra : ny eja

Nampiditra : nyeja
Daty : 08/05/2004
Mpamangy : 1433
Mankafy : 5
Tononkalo hafa
Ny antom-pisiakoLasanao
MASIAKA IANAO RY FIARAHAMONINA
Fanahy Mendrika
Setrin'ilay fitia natolotra
Ho an'ny Hafa indray
Ilay fitiavako
IANAO
LAZAO IZY
Ny Voady omeko anao