Ilay toaka nosotroiny - ny eja
Azo vakiana?
ILAY TOAKA NOSOTROINY
Fa toa hoe tsy nantenainy
Ity figadon’ny adin-tsainy
Ka notohofany tsy nihamba
Zava-pisotro mety hiampanga
Ny hakiviana feno fatrany
Mba odin’ilay fo maratrany
Satria tsy tantiny intsony…..
….. dia toaka no sotroiny.
Nantenainy mihitsy angamba
Fa hameno ilay banga
Mangotana nozakainy
Izay mila haningotra ny ainy
Ity fisotro nofidiany
Sitrany ialana tsiny
Nefa inona no teo
Toa vao mainka nankaleo
Sy nankaloiloy azy
Toa nampitombo indray ny sazy
Satria tsy zakany tokony
Ilay toaka nosotroiny !
Fa isaky ny hanarin-tena
Dia mironjona mivena
Ka nakorain’ireo mpandalo
Ity fihetsiny efa mamo
Ireo toa tsy mahalala akory
Fa ilay fony anie ka ory
Hay tsy nanaja azy itony
Mba hoe toaka nosotroiny !
Ary efa nihalefy
Ilay hamamoana tsy voafefy
Ilay adintsaina hohadinoiny
Hay moa tsy nisinda akory !
Dia tsy nanindroa intsony
Ilay ... toaka nosotroiny.
NyEja (2001
Mombamomba
Mpanoratra : ny eja

Nampiditra : nyeja
Daty : 21/07/2004
Mpamangy : 1758
Mankafy : 2
Tononkalo hafa
Ny antom-pisiakoLasanao
MASIAKA IANAO RY FIARAHAMONINA
Fanahy Mendrika
Setrin'ilay fitia natolotra
Ho an'ny Hafa indray
Ilay fitiavako
IANAO
LAZAO IZY
Ny Voady omeko anao