Iza ianao ! - ny eja
Azo vakiana?
(ity tononkalo ity dia atolotro manokana an'i Nivo )
Iza ianao ry ilay mpandalo
fa toa niserana dia lasa !
fa ity foko anie mikalo,
mbola babo ka nikasa
ny ahita anao indray
hiantrano ato aminay,
Fa ny eritreritro rehetra
dia lasa nitoetra
tsy manaiky ny hifandao
fa nanaraka anao,
tia anao aho ka dia zatra
ankehitriny anie aho maratra
fa minia tsy te hahalala
mirediredy toy ny adala !.
Ny Eja (2002)
Sokajy :
fisarahana
Hevitra mandeha
andriary (31/12/2004 13:21:46)
rapisoukely (11/07/2005 14:52:55)
Mahereza daholo izay voakasik'io fa mbola any ilay tena tia e
Mombamomba
Mpanoratra : ny eja

Nampiditra : nyeja
Daty : 26/12/2004
Mpamangy : 1503
Mankafy : 2
Tononkalo hafa
Ny antom-pisiakoLasanao
MASIAKA IANAO RY FIARAHAMONINA
Fanahy Mendrika
Setrin'ilay fitia natolotra
Ho an'ny Hafa indray
Ilay fitiavako
IANAO
LAZAO IZY
Ny Voady omeko anao