Mila mankany ianao! - ny eja
Azo vakiana?
setrin'ny " HAFATRA "
tononkalo nosoratan'i RADO
Anisan'ny tononkalo mampiainga ny fanahiko ity tononkalo ity fa dia anio anefa aho vao mahita ny setriny.
Eny, tany aho,
arak\'ilay hafatrao...
tiako ambara mialoha,
tsotra dia tsotra tokoa
ilay efitranony vaovao.
... ....................................
nifampiarahaba izahay
ka nohararatiko ny hampita
Ny tananareo mba nifandray
na dia tsy mifankahita .
dia nifanatsafa teo
indro toa tsy hitahita
izy , gina tsy nahaloa-peo
ary lasa visavisa
ary inoako marimarina
fa taminao ny eritreriny
niezaka izy ny hanafina
fa nambakain'ilay fijeriny
raha ny teo an-doha- fandriany
eny nisy sary teo
ny sarinao, ilay olo tiany
nobanjininy avy eo ,
notondroiny tamin\'ny tananany
dia nampiany tsiky kely
Ny ranomasony tsy tanany
ankona izy tsy niteny .
izaho aloha tsy hamaly
fa efa azonao vinany
raha tena hoe \"sambatra izy\"
ny valin-kafatra dia izao:
mila mankany mihitsy ianao!
Ny Eja (04septembre 2004)
Hevitra mandeha
Oully (04/09/2004 20:19:59)
Efa tary @ilay tonokalo "hafatra" tary no efa saika hamaly aho Ny Eja fa tena mifanojo tamin'ny eritreritro koa ny tiana holazainao teto, teo am-pamakiana ity tonokalon'i Rado ity. Saingy azo heverina ihany koa ilay tonokalo teo aloha fa mety efa "sambatra" izy. Nefa izay moa no maha artista ny artista samy mamoaka izay mifanojo amin'ny aingam-panahiny.
Mankasitraka ny talentanao!
nyeja (05/09/2004 06:48:44)
faly aho satria dia nahitako hevitra maro be sahady ity tononkalo ity, ho setrin'ireo fanehoan-kevitra ataonareo ry namako isany, dia mankasitraka tanteraka tenako .
Ny fijeriko manokana dia tsapa matetika fa ny tsy fifampiresahana dia manome elanelana sarotra vahana , samy marary, samy malahelo,nefa dia samy mikobona izany any anaty ( sniff!!) ka ny tiako ampitaina dia tokony vakiana ilay elanelana, dia mifamboraka ny ao anaty , maro dia maro mantsy ny fitiavana rava sy mitondra faisana noho ny tsy fisian'ny serasera.
soa ihany aloha fa eto ny sehatra "namana serasera" ahazoantsika rehetra maneho izany e sa ahoana hoy ianareo ?.
andriary (05/09/2004 09:06:35)
Tantara mitohy ny aingam panahinareo sy Rado!Ny firafitry ny tonokalo , ny gadona ny aingam-panahy dia samy tokana no lazainy
:fitiavana tsy mety maty!
Tsara!tena tsara!
sady mambabo nomitaiza fo ilay tonokalo
iharantsoa (05/09/2004 14:11:29)
tsara akia a, tiako ny fitsinjovanao ny fitiavana tsy arak'ilay eritreritra ratsy nahiany, hay moa ilay olo-tiany ka miandry azy koa ! tsara e tohizo hoy farakelinao
NyKanto (06/09/2004 07:49:35)
Tiako dia deraiko!
Ny Namanao Ny Kanto.
nikopol (06/09/2004 09:33:35)
Nyeja, tsara be... fa ity misy tohiny iray henoko, tsy haiko, i Olombelolo Ricky angamba no nanohy azy :
" Ho any ianao kanefa,
ny lalana mankany tsy hitanao akory..."
rafilozofy (07/09/2004 16:47:56)
Mila tony tsara eo @ fiainana izany hoe: tsy ny fo no mibaiko ny fiainantsika fa ny saina, tsy ny fihetseham-po fa ny fahatanjahan-tsaina. Eo anatrehan'ny zvt rht.
shate (10/09/2005 09:47:25)
indrisy fa nankany za fa efa sambatra izy
endrehina (16/04/2007 06:26:03)
indraindray anie mankany nefa marary fo fotsiny toa tsy asiany vidiny akory tsinona koa
rhina (12/09/2009 14:59:22)
tena mahavaly ny afatr'i rado tokoa io nosoratanao io ry Ny eja tena latsaka mintsy ny ranomasoko
ouf!!!!
mankasitraka hatrany
dianaranaivo (14/06/2010 13:08:06)
TohinyMombamomba
Mpanoratra : ny eja

Nampiditra : nyeja
Daty : 04/09/2004
Mpamangy : 8549
Mankafy : 9
Tononkalo hafa
Ny antom-pisiakoLasanao
MASIAKA IANAO RY FIARAHAMONINA
Fanahy Mendrika
Setrin'ilay fitia natolotra
Ho an'ny Hafa indray
Ilay fitiavako
IANAO
LAZAO IZY
Ny Voady omeko anao