You are here: home > Vetso

Nenina - ny eja

Azo vakiana?

raha azoko  atao
ny tsy nahalala anao
dia nataoko tsotra izao!

raha azoko fefena
tsy hirona tsy hivena
aminao ilay eritreritro
minoa ahy f'efa voahevitro

Ny Eja (2004)

Hevitra mandeha

hendry (08/05/2004 11:45:17)

Ny nenina tsy ao aloha fa aoriana handatsa marina a! saingy ny tahak´zay sy ny tsy misy hono mitovy.

nyeja (04/09/2004 05:46:54)

marina izany fa tena hendry mihitsy ny fanamarinana ataonao misaotra an'i hendry an

tsima (13/09/2004 23:35:40)

Ny tahak'zay ry hendry miharo nenina fa ny tsy misy kosa tsisy arakaraka. Tsara ilay asa soratra e! Tohizo....

didou (06/10/2004 18:38:51)

Nilaiko io tononkalo io androany. Misaotra ny mpanoratra e !

nyeja (08/10/2004 16:58:50)

mankasitraka an'i didou zany aho nitsidika ny sanganasako dia mankahery hatrany koa.

rmbary (03/01/2005 19:52:49)

tsara sady foy nefa tafita ny hevitra. tohizo