You are here: home > Vetso

Ny Fitiavana - ny eja

Dia misy  ny  fitiavana
toa mirentirenty,
manaitra toy  ny  varatra
mandalo  vetivety
satria tsy  misy  akony  mba matotra any  aoriana
ka ireo  sendra azy, nanjahatra ary sina!

Dia misy  ny  fitiavana
miafina mangina
kanefa dia tomaratra
na dia ampiafiana
ireo  mpiventy azy , toa malahelohelo
miezaka milozoka ilay tsiambaratelo  .

Dia misy  ny  fitiavana
toa fangalana tombony,
ventesina ny  "tiako"
ny "ho doria" tononina
kanefa nony  lany  sy  tapitra ny  harena
dia lefy ilay  fitia, nirodana nianjera.

Dia misy  ny  fitiavana ho an'ny  manirery
ilay  tiana toa miandry
ilay  tia anefa very  
tsy mety mifanena satria dia izay  no  anjarany  
ka dia mifampitady, Eny  hatramin'ny  farany ! .

Ny Eja 2005

Sokajy : Malalaka

Hevitra mandeha

fiaritiana (15/11/2005 15:18:46)

Dia misy ny fitiavana
toy ny ahy ry Ny Eja
Fitiavana maharitra sy miredareda
Natao ho modely sy natao fitaratra
Notiaviko ny anjarako,

fiaritiana (15/11/2005 15:20:24)

Misaotra anao ry Ny Eja fa tiako be io tononkalonao io
tapaka ny teniko teo ambony teo
mazotoa hatrany
fiaritiana namanao!!
Bizoroka bdb

nyeja (08/12/2005 06:42:39)

misaotra akia fiaritiana an

nyeja (08/12/2005 06:45:11)

misaotra akia fiaritiana an

totty (06/01/2006 18:39:36)

Miarahaba an'i ny eja , tena tsara tokoa io tononkalo vaovao nosoratanao io e!

nyeja (10/01/2006 16:16:34)

eny ry totty vaovao tamin'ny 2005 io

robin (02/01/2007 10:27:32)

Eny tokoa tena izany moa ty fitiavna ty an

nyeja (03/01/2007 08:15:21)

eny tokoa voalazanao ry robin a !

Mahazak (01/08/2007 10:27:16)

Manaiky ny voalazanao ao amin'ny tononkalo aho ary nampivoitra hevitra iray nalefako any @ adiresinao. Dera

nyeja (11/01/2008 04:03:35)

zany ve misaotra dera a

Rfntr (30/09/2009 09:25:38)

Ny Eja ô,
Tsara fa tohizo,
vohizo hatrany hatrany,
ny kanto tsy ho lany.
Ny tononkalonao no nisarika ny saiko
ankafy ny tenindrazako, ka izy io dia ho hajaiko.
Mankahery anao,
avoahy ny am-po sy izay ao an-tsaina
fa ianao, eny ianao io tsy mba iàla maina.

Misaotra ny Eja

Tohiny

Hametraka hevitra

Midira aloha