Ny hoe" tia.." (ny eja)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tia...
Ilay manolotra ny fony,
Tsy mikajy izay ho tambiny.
Ilay mamorona ny tsisy
Efa hoe ho an' ny malalany..

Tia ...
Na lavitra aza tsy mandao
Mampiteny ny ao am-pony
Raha tsy ho an'ilay sitraky ny fony.

Tia
Ilay mahavita mampandefitra
Ireo rendrarendra faniriany
Fa efa vonona hampifaly
Ilay olo-nofidiny

Tia
Ilay olona iray
Mahay mahazo avy hatrany
Izay mihatra ny malalany,
Tsy voatery manontany

Dia mitady vahaolana
Ary tsy mpanome tsiny,
Efa vonona ny hizara
Izay no tanjona iriany.'

Ny Eja,
--------
Rohy:
3535 3
Mpakafy: nyeja - aladin - rapisoukely
Hevitra mandeha
andriary ( 19/11/2004 15:25)
raha mba izaho mantsy....
misaotra fa voafaritra ny fitiavana ry ny eja!
Malalason ( 20/11/2004 11:49)
zahay roa koh zany? sôtsa be dia be de atolotsa anareo roa konkoh
R. JO
aladin ( 20/11/2004 20:04)
R.JO hou hou hou
rafilozofy ( 21/11/2004 08:55)
Aladin kosa e,,,,, ! izany fotsiny ve, sa tonga dia tena nampientanentana ilay izy? hihihij
Izao ny ahy no mba hafatro rankizy a: mifankatiava tsara dia mahaiza mifanaja sy mifandefitra dia tohizo fa tsara e.
Ho an'i Ny eja manokana dia mirary soa ho azy hatrany fa ny kanto toy izao dia sady manome ainga ho an'ny sasany no manome herin-tsaina sy herim-po ho an'ny tena.
Dia mazotoa daholo an.
Rafilozôfy
nyeja ( 21/11/2004 10:46)
malalason an atolotsa anareo roa koa ange io e sa ahoana ?
hou hou fotsiny ve ry aladin ?
misaotra akia rafilozofy a tena filozofy mihitsy nji an
misaotra an'i andriary koa aho manaraka tsy tapaka ny sangan'asako
bizoroka ho anareo rehetra e
Ny eja
bitaka ( 22/11/2004 13:46)
he sô de fetsy i Nenibe Filôzofy mbô hampianaro zà haka f`y ny filô e de mandrampihaona any à tafaray rehetra e
Google ihany

bichette ( 22/11/2004 17:51)
misaotra ny amin'ny ny amin'ny torohevitra sy ny fampatsiahivana kely.
TIA dia tia amin'ny andro rehetra
yonikafopl ( 15/12/2004 14:23)
mahaliana ilay fitiavanjy ry ny eja, tara fianatra.Mahereza
nyeja ( 17/12/2004 06:00)
misaotra akia ry yonika sy bichette a , faly be foana aho amin'ny teny avy aminareo.
ny eja
vetsoko ( 24/12/2004 15:35)
azoko indramina ve!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.018