You are here: home > Vetso

Raha toa ka ... - ny eja

Azo vakiana?

Any  andro  any  volana ,
raha toa ianao  misedra olana
sanatria ampahoriany
fa olon-kafa indray  no  tiany .
Dia izao no tadidio
ho  manga foana io  lanitra io
satria mantsy  any  ho  any
izaho  namorona akany
ato  am-poko  mba ho  anao
na lavitra aza tsy  mandao .
Ny  Eja 2002

Sokajy : Fisarahana, Fitiavana

Hevitra mandeha

fiaritiana (22/03/2005 18:03:00)

marina ny anao ho manga foana io lanitra io

nyeja (26/03/2005 16:27:21)

hihihi hovantaniny sady hiverenany hihihi dia efa nampirimiko tsara ny akany .misaotra anao aho ry andriary mitsidika foana ny sangan'asako.!
Ny eja namanao

nyeja (09/05/2005 08:49:25)

misaotra an'i fiaritiana koa aho mitsidika sy nanome hevitra e
ny eja

gasitiako (17/05/2005 13:06:17)

voaray sady tafita
ao am-pon'ny tsirairay
toa mivaingana sy hita
ho anay tsy mahay

tohizo hatrany fa mahafinaritra sy tiako
hoy i gasitiako

nyeja (18/06/2005 09:01:13)

misaotra ry gasitiako a

rapisoukely (22/06/2005 18:45:43)

nyeja a, tena mety amiko mihitsy ary mampahery ahy io asa soratrao io, misaotra anao.
any andro any volana mety hiova ho manga ihany ity lanitro ity, ankehitriny izy aloha dia mbola maizina tanteraka.

nyeja (06/07/2005 08:52:02)

aza manahy fa ho managa foana akia io lanitra io an mankasitraka anao manokana aho e
ny eja namanao

tia2005 (03/08/2005 14:24:34)

hita mihintsy hoe olon'ny fo an! misy fanantenana foana na d efa mihantra aman'aina aza!

zakilinina (18/08/2005 15:52:34)

Tsara sy mora raisina ity tononkalo ity ry Ny Eja ary ankafiziko tokoa. Izaho rahateo koa moa tia tononkalo fohifohy kanefa mafonja tahaka itony.
Indro kely anefa aky.
- Sao dia misedra "olAna" fa tsy "olOna" ilay and. faharoa ? Mba mirima tsara izy amin'izay.
- Diso tsipelina angamba ilay and. farany :
"Na lavitra aZa tsy mandao"
fa tsy
"Na lavitra AA tsy mandao".
@ manaraka indray aky an !

nyeja (22/08/2005 06:29:19)

Marina izany ry zakilinina fa hitako mihitsy ianao fa tia tononkalo an , ilay misedra olana dia io mihitsy no tiako lazaina fa ilay faharoa kosa dia ekeko fa "na lavitra aza tsy mandao" misaotra dia mankafiza an
Ny Eja

nyeja (22/08/2005 06:31:37)

mbola tsy aina kosa akia ry tia2005 a amin'ny fitiavana dia mila mahay mandefitra koa ary mila mamela mba hananana ilay fiadanan-tsaina ao anaty .
Ny Eja

Tohiny