You are here: home > Vetso

Satria tia - ny eja

Azo vakiana?

satria tia...
Dia niova hono  aho,
nanam-pahendrena tena hafahafa
tsy vokatry ny fehy
ary  dia manaiky
mionona  ao anaty
mangina tsy mba re.
Dia niova ny fiainako
narindran'ny  fisainako:
tsy taitra randram-bao,
dia tsy misy  afa tsy ianao
no hany  voajeriny
sy tokana tanteliny
ary tsy  an-tery,
tena misitery!.
Ny Eja (2004)

Sokajy : FITIAVANA

Hevitra mandeha

aladin (10/10/2004 14:37:21)

marina loatra rehefa mahatsapa fa tia ny olona iray dia miova daholo ny fomba amam-panaony rehetra mba hambabo ilay tiany
R. JO

tsarfanah (20/11/2004 06:39:42)

tsara be e mankasitraka

rapisoukely (11/07/2005 14:40:15)

Mistery marina rehefa tojo ilay tena tiana a. Mistery ny fitiavana