You are here: home > Vetso

Tany niaviako - ny eja

Azo vakiana?

any  ianao  izay
ry  tany  niaviako
gasikara malala tena tiako
any  ambadika
any  ho  any  
manina anao  aho  izany  
ka ny  embona
no  hany  sisa
mba mamisavisa

meva tsara loatra
kanto  ianao  ry  eropa
ny  jironao  mahasondriana
endrikao  mahavariana
fa dia tsara kolokolo
nefa kosa ho 'aho tsy  hahasolo
ilay  tany  niaviako ianao

any  ianao  izay  
sy  ny  fiainanao
tsotra kely  tsy  mba mirehareha
nefa dia nanome
harena be dia be
ho  anay  ianao  

NY  Eja  08/07/2005

(hiran'i  Mia tsy  ho  ela )




Sokajy : Tanindrazana

Hevitra mandeha

rapisoukely (11/07/2005 16:17:09)

Tena natolotrao ho anay lavitra an'i gasikara tany maminay mihitsy ilay tononkalo ity ry ny eja. Hafa ihany ilay tanindrazako.

fiaritiana (15/10/2005 16:28:35)

marina tokoa ny voalazanao, tena tiako tokoa

Hametraka hevitra

Midira aloha