Tara loatra ianao (ny eja)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Dia izay ianao vao tonga!.

Hay moa tadidinao
'lay tokonam-baravarako ?
Impiry aho nitalaho
Impiry ianao tsy tratrako ?.

Izay vao tadidinao
'lay toerana fonenako
Fa voa avy any ianao,
miandradra faharetako ?

indrisy anefa, tara loatra ianao!.
saingy,

Zarako aza ianao, tara vao nandalo,
Soa fa tsy tazanao
'lay endriko mimalo.
Zarako aza ianao, tany tsy niseho
soa tsy tazanao,
Izaho ilay mitoreo.


Dia niova ankehitriny ny fijeriko anao
olona mpandalo,
mpivahiny tsotra izao.

Dia veloma indray , fa tsy hifanindra-dalana
raha sendra very ianao,
Izatsy aloha ny varavarana!.

Ny Eja
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana
3650 4
Hevitra mandeha
doum ( 27/07/2005 12:39)
slt Nyeja
za anisany mamaky fona ny tonokalonao
tsy poeta aho fa kosa tean tia sy makafy ary mandray ny soa rehetra azo avy @tonokalonareo mpanoratra
mahafinaritra e
mirary soa hatrany
vo vaovao io tonokalonao io
tsara be le izy
misaotra hatrany
mirary soa ihany koa
nyeja ( 27/07/2005 13:57)
misaotra an'i doum aho ary dia mahafaly ahy ny mahafantatra fa manaraka ireo sangan'asako ianao, mankasitraka indrindra an
ny eja
doum ( 27/07/2005 18:49)
Nyeja a
mety azo atao ve ny mifanoratra mail aminao e
za aloha vehivavy an
hi hi hi :-)
fa tena marina fa misy rano azo tovizina fona ny tononkalonao e
tsara be marina e
tena misaotra anao manome anay zava-tsoa hatrany;
za zao te hananihany hoe mba amorony tononkalo aho :-)
sarotra angamba zan satria izaho aza tsy fantatrao e
zay ary e
nyeja ( 01/08/2005 07:51)
azonao atao tokoa ry doum a ary na vehivavy na lehilahy dia raisiko ampitsikiana avokoa ny mail alefa ho ahy .
ilayfitia@yahoo.fr no afahanao mifanoratra mivantana amiko dia mahereza ary e
ny eja
rhina ( 12/09/2009 15:22)
t@ taona 2000 tany d zavatra nadalo tamiko mihitsy io soratanao io
tena manoratra ny zavamisy mihitsy ny mpanoratra tena taiza re io t@ zany e!!!!
tena tokony io mihitsy no nalefako ho an'izay olona izay. Mahafeno tanteraka ny zavatra tiako hambara t@ zany fotoana izany saingy efa lasa zany nefa moa ny lasa tsy fanadino dia tadidiko foana le izy.

Ny tonokalonao ry Ny eja d betsaka ny zavatra lazaina fa itako tena ohatran'ny oe fiainako zany doly koa d mankasitraka d mankahery anao hatrany Hitahy anao anie Andriamanitra dia mirary soa
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146