Tena amin'ny foko (ny eja)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
tia amin'ny fo

Te ahita anao aho,
iriko tsy ho ela, fa vetivety ihany;
Dia ho anao aho,
hitondra tambitamby ,fitia tsy lany mamy
satria ho anao aho,
ka izay sitrakao, ekeko mba ho to
Fa tia anao aho,
tena amin'ny foko marina tokoa!

Eny ho anao aho,
ianao ilay nofisiko an'efitro mangina
K'ilay sarinao ho ahy,
Tsy misaraka amiko , fa sarin'olo tiana
Dia ho anao aho, eny ho anao , anao irery ihany
Fa tia anao aho,
tena amin'ny foko fa tsy hanihany!
Ny Eja (2003)
--------
Rohy:
3095 4
Hevitra mandeha
fitsipika ( 27/03/2004 10:09)
mahaliana ahy io tononkalo io satria mampihetri- po.
mamono zavatra iray momba ny fitiavana sy ny aingam- panahy
nyeja ( 08/05/2004 07:20)
misaotra betsaka an'i tsipika ary azonao atao ny manoratra amiko ato amin'ny serasera .Ny eja
rabiazazotoavina ( 08/08/2016 16:27)
mahafinaritra
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152