Aza hatao fantany (Ny Hafatra RANDRIANTIANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aza hatao fantany

Misaotra fa voaraiko iny valopy nasisikao teo am-baravara-mikatona!
Ary efa novinakiko ilay taratasy voasoritra ranomainty;
Dia hitako avokoa ny voambaranao,
Ka ny ranomasoko no nijohy,nanara-drindrin'ny tavako.

Misaotra tamin'ny teny maina,
Misaotra koa tamin'ny teny mahery vaika.
Toa tsy andriko ny hiavian'ny maraina,
Mba hanomezako ho anao ity sombin'ny taraina.

Tsaroako teo fa isika 'lay mpifankatia tsy nisy toa,
Niara-nandrindra ny natao.
Kanefa moa,
Nofaranin'ny teboka izao.

Sangy sy kisa,
Haniany maro loko;
Tambitamby niavosa,
Izay nandresy ireo toloko.

Anefa izao,
Niova anarana ianao,
Ka hanambady,
Hisoratr'ara-panjakana,hanao mariazy.

Eny,izay no anton'ilay teny tsy mba fanaoko taminao,
Tambin'ireny tambitamby natao.
Misaotra akia malala a,
Misaotra fa izay no lahatra sy anjara.

Indrisy !!!!!!

Rehefa vita ilay fanamasinana,
Dia izao no mba hiangaviako;
Izany hoe,rehefa ianareo anaty tokantrano,
Miray akany any mantsy e.

Aza hatao fantany,
Hoe,efa nisy ahy nandray anjara tamin'ny tantaranao,
Sao mantsy,
Ny fahafantarany izany no hampiova ny fitiavany anao.

Mitandrema amin'ny fiteny,
Sao tafanonona ny anarako eo an-tsofiny;
Dia raha azo hatao, hadinoy avokoa ireny,
Ny vita sy ny tariny.

Dia aza hatao fantany,
Fa izaho ilay efa talohany,
Hataovy hoe,izy ilay nisantatra,
Fitiavinao voalohany.

Ao moa mba mandainga kely,
Indray mandeha monja;
Ekeko fa lavin'ny anjely,
Satria ota.

Kanefa,mba fiangaviana ny ahy,
Dory avokoa ireny sary misy salovan-tavako,
Ndrao mbola hametrahany fanontaniana,
Ka ianao tsy hahavaly.

'Zay fa aza dia aza hatao fantany,
Ny hoe,efa nitia ianao taloha,
Hataovy izay hampaharitra izato akany,
Tsy hisaina ny taloha.

Saika tsy voalaza,
Fa hapetrako eto ambany.
Ny hoe,rehefa ianareo mahazo zaza,
Dia mba hasio anarako ny anarany.

Ary rehefa mba misy fotoana,
Dia ho eny aho mandalo.
Sanatria,hoe hisaona,
Fa mba hamangy.

Ny Hafatra Randriantiana, 14/02/2022
--------
Rohy:
176 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0145