Handao anao (Ny Hafatra RANDRIANTIANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Handao anao

Be hetraketraka loatra ianao ry tany fandalovana
Be mistery, ampoka toloko;
Nefa ny nofoko malemy, fo feno fahatsorana
Zary torotoro noho ny ady nihofo ho kanoto.

Raha mba fantatro mantsy, fa mpivahiny aho teto,
Angamba, ho niezaka aho nanao ny tsara;
Ny fanahiko nosoketain'alahelo mamelovelo
Rotsian'ireo hira mangina mitory fahafatesana.

Veloma anie ianao ry tontolo fisainana
Mantsy, tsy eto ny mandrakizay honenako,
Fa any ho anay misy tontolon'ny fiainana
Hivantanan'ity fanahiko handao anao ry tany feno hetraketraka mandoro.

Ny Hafatra Randriantiana
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
98 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Hafatra RANDRIANTIANA
Nampiditra : Ny Hafatra Randriantiana
Daty : 09/11/2024 09:45
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137