Manaiky aho (Ny Hafatra RANDRIANTIANA)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Manaiky ahoEkeko ny hoy eritreritro,
Fa noho izaho no mampanjombona anao toy izao;
Tsy ho laviko raha ho tanisainao eto,
Eny na izao sy izao.
Manaiky aho,fa noho ny fisiako,
No antom-pahanginanao lalina,
Eny efa notadidiako,
Ireny teny izay natentina sy navarina
Manaiky aho sakaiza a,
Na aza tsy andray anjara amin'ny tantaranao;
Tsy hoe,ho aiza aho na hakaiza,
Fa hiafy tsotr'izao.
Fantatro fa izaho ilay raho-mainty,
Mpanembana ny hasambaran'ny tany.
Ka izao dia izao tsy maintsy,
Handao sy hisintaka ho any lavitra any.
Tena tsapako marina,
Fa noho ny fisiako sy ny fisiako,
No antom-pahanginanao lalina,
Sy izao risoriso.
Eny,manaiky aho raha izay no hifandaharana,
Voatohitro na ny herin'inona sy iza,
Raha izay no halahatra sy havarina,
Nefa,hitandremako ny amin'ny sisa.
Ny Hafatra Randriantiana, 03 Septembra 2021
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Hafatra RANDRIANTIANANampiditra : Ny Hafatra Randriantiana
Daty : 27/02/2025 12:01
