Sombintsombiny (Ny Hafatra RANDRIANTIANA)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SombitsombinyRaha mba fantatrao mantsy
Ny tao ambadiky ny tangoron-drahona nanaloka tamin'iny
Nisy feo nitomany, niangavy mafy
Izay tsy fantrao akory ny fisiany
Raha mba tsapanao mantsy
Fa rahona mainty no nameno ny lanitra nihilangilana te hiataka
Fo voatrobaka antsy, nijaly ary koa niafy
Sendra izay kintana raraka
Niandry sombintsombiny latsaka
Sombiny mantsy no mba nantenaina
Fa ny ventiny saron-kazo
Ka ny sombiny mipitika no andrandraina
Ndrao hahafa-tondro maso
Mba niandry ihany
Nefa indrisy
Ny Hafatra Randriantiana
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecterA propos
Auteur : Ny Hafatra RANDRIANTIANAInséré par : Ny Hafatra Randriantiana
Date : 02/03/2025 09:14
