Tony ihany (Ny Hafatra RANDRIANTIANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tony ihany

Tsaroako tampoka izy,
Rehefa tafahitsoka ny masoko
Tamin’ny tahirin-tsary efa ela
Izay niarahanay naka tety an-tsisin-degilizy,
Nanomana sahady ny ho avy eny ambony alitara.

Sangy sy hanihany tsy lazaina intsony,
Rehefa tafahaona tamin’izany andro izany.
Ny fo tony dia tony,
Kanefa nisy fitempo,
Fitempo midobodoboka, toa manahy.

Izao anefa, ity aho
Mijery tahirin-tsary niarahana sisa,
Eto ampototry tamiana,
Mitazana irony vodilanitra,
Masoandro efa mody hariva,
Miantso ny alina mangina.

Dia teraka tsy nahy
Ny tsiaro, efa nalevina soa tao
Anaty fasana nifono harambato.
Mangotrangotraka ny rà ato anatiko,
Embona sisa no mamabo.

Tsy eto aho hitory teny soa mahafaly hoe mbola tia,
Na hilaza tantara vaovao,
Izay mety hanaitra ny any am-pasana.
Fantatro, efa an'olon-kafa ianao,
Raha ny fahalalako azy.
Izaho koa anefa, efa manan-tompo.

Ny lasa natao ho tsiaro, ho mamy lalandava,
Hotsaroana isan’andro ho entina miaina.
Ho lovan’ny taranaka sy ny fara,
Izay mbola hitahiry ireo tantara tsy lefy hasina.

Ny Hafatra RANDRIANTIANA, 21 Novambra 2024
--------
Rohy:
10 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Hafatra RANDRIANTIANA
Nampiditra : Ny Hafatra Randriantiana
Daty : 21/11/2024 17:52
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0428