Triatra (Ny Hafatra RANDRIANTIANA)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TriatraRehefa nandinika tokoa aho
Misy triatra marina iny lanitra antsinanana
Nataoko ho varavaran'ny mandrakizay ilay izy
Nefa tena hafa indray rehefa nosainina lalina
Ny fanahiko nandeha nanao fisafoana teny
Naniraka ny kintana sakaizako koa aho ho namana
Ny volana sy ny masoandro samy nanontaniana
Samy tsy nisy nahalala izao anton'izao fahasimbana eny amin'ny lanitra manga etsy ambony.
Andrandraina ny maso isa-maraina
Ndrao efa nozairin'Andriamatra tamin’ny alina
Nefa, indrisy adinony angamba naniraka ireo anjely hitondra kofehy sy fanjaitra teny
Hanambatra ilay takelaky ny lanitra roa nihataka.
Triatra koa ny foko
Mandinika sy mahita iretsy fahoriana mambabo ny taniko
Nefa mbola triatra indray ny lanitra hitelina ireo fanahy maro nahavita adidy
Eny nahatody andraikitra maro.
Torotoro ny fo
Tolefika ny vatana
Lasa ilay mba namana
Lasa ka tsy hiverina intsony
Lasa nakany, niditra ao amin'ilay lavaka ivon'ny takelaky ny lanitra roa triatra
Ny Hafatra RANDRIANTIANA, 26 Février 2025
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Hafatra RANDRIANTIANANampiditra : Ny Hafatra Randriantiana
Daty : 25/02/2025 18:03
