Fitia voarara (Ny Hasina Heritiana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misaotra anao aho ;
Nilaza tamiko ny marina;
Misaotra anao nanambara,
Fa hay ilay fitiavantsika;
Hay kay fitia voarara.

Nefa ho tia aho,
hitia anao mangina
hitia tsy mila tambiny;
hitia am-pifaliana.
--------
Rohy:
Sokajy : Fiononana
3509 0
Hevitra mandeha
chipie1 ( 15/12/2004 18:29)
amiko le fitia voarara io tena tsy ho adino...
mahereza akia an!
sonwin ( 15/12/2004 20:07)
Ny ambavany ihany no tsy zaka hoy ny Ntaolo, vao miodiny ny taona ary indrindra rehefa misy olon-kafa, dia lasa mivadika hoa soa ihany ilay fitia voarara.
Fa raha voarara moa zany ny fitiavan'ilay mpanoratra dia hoy aho hoe aza kivy....mbola ho avy ny maraina, hitondra rivo-baovao.
yonikafopl ( 15/12/2004 21:04)
chipie1 ilay voarara ange no vao maika matsiro e hihih
sonwin raha atao hoe tsy ny an'ny mpanoratra aza no voarara e! fa ny tena fitiavana na misy olon-kafa misosoka aza tysy mety maty ka,
vetsoko ( 15/12/2004 21:43)
ho fampiononana an'ny hasina heritiana:
IZAO ATAO
Aza adinonao fa...
izy koa anie mba miheritreritra
sy maka sary an-tasina
irony zava-bita rehetra.
Saingy,
izy tsy afaka
hatramin'izay nahatapaka
ny fifandraisana izay nisy;
efa lasa ireny,indrisy !

Adinoy...
raha azo atao aza!
Soloy!
Dia ampirimo aleveno any @ lalina;
aza tsarovana akory
na dia zava-marina.
Ny ho avy jerena,olon-kafa indray fantarina;
iny efa tapitra,
f'ianao tsy maintsy miarina.
...Tsoa
29-01-03
yonikafopl ( 15/12/2004 22:06)
Misaotra an'i vetsoko nampahery, efa novaliako any @ ilay tononkalonao ihany io.
Malalason ( 17/12/2004 08:00)
snif snif
raha azoko natete teto ny sombin-dranomasoko dia nataoko saingy aleo ranomasontsoratara no alefa
Malalason
yonikafopl ( 17/12/2004 19:53)
Malalason! na izany aza tsiky foana ny fiainana ka!!
aza arahan-dranomaso
fa raha tena fitia tsy ho sompatry ny ankaso
Ny fitia tena fitia
tsy ho faty ho doria
KAMOVAVY ( 09/01/2005 11:29)
marin'izany fa tena tsy mety levona le fitia voarara. nefa mangidy koa ato am-po na zany aza
yonikafopl ( 10/01/2005 19:08)
kamovavy , ao anatin'ny mangidy no hahitana ny mamy ozy ny ntaolo
Malalason ( 18/01/2005 12:45)
mahaliana ahy ny resaka fitiavana, eny na dia mandratra fo aza 95%ny dia tsy mampaninona ahy na ho mamy lasa ngidy aza tsy maninona fa tiako foana ......
tantara lavabe izany
Malalason
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105