You are here: home > Vetso

Tiako ho fantatrao - Ny Hasina Heritiana

Azo vakiana?

Toy ny voatsindrona antsy;
Izato foko tsy mahatanty;
Ny tsy hiresaka aminao;
efa ho herinandro izao.

Toa tsy misy andro mihiratra;
ny fiainako tsy misy anao;
Na ny ora toa mihisatra;
miandry ny fiverenanao.

Toa tsy ho andriko ilay fotoana;
hahafahanao indray;
hiresaka amiko fonafona;
hifaliako amin'izany.

Ka amin'izay fotoana izay;
hiantsoantso aho , hikiaka;
hanonona ny anaranao indray;
hikalo ilay fitiavantsika.

Tiako ho fantatrao ,
fa tsy miova ilay fitia;
ilay efa fantatrao;
ilay haharitra ho doria.

Sokajy : Alahelo, Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha