Anjara sa safidy ? (Ny Kanto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ilay ravi-maitso iray nihintsana
Teo an-tokontany omaly
Ve dia ratsy vintana ?
Nihintsana izy sa ninia nihintsana ?
Ny lohataoana anefa ity mifaly.

Dia nahebikebin-drivotra,
Tsy manan-jotra aleha akory
Sy safidy intsony hifikitra
Amin-taho nilaozany izay ory.

Niankarapoka amin’ny tany,
Niandry irery teo ‘lay fiovany.
Loko maitso ho lokom-bolamena :
Fahatsarana mbola azony omena.

Fa tsy ratsy vintana izy irery
Na dia nahatsapa ho manirery.
Fa tena sahy sy koa natoky
Ho hitako isan’andro anaty boky.

Izany ve no anjara ... sa safidy ?

Ny Kanto. St François, Montpellier 2003.
--------
Rohy:
Sokajy : Tontolo iainana
2113 2
Mpakafy: nyeja - NyKanto
Hevitra mandeha
lejo6 ( 23/10/2004 10:41)
ary eno zany to poète be mihintsy an !
bichette ( 25/10/2004 16:16)
soa fa nisy ny boky hitoeran'ilay ravimaitso mandrakizay ary na dia lazaina fa malazo aza dia miarakotra fahatsiarovana sy atao fanoronà pejy tokoa.
nyeja ( 27/10/2004 12:34)
tsara ilay tononkalo e , mankahery anao hatrany ny namanao NY Eja
rinakely1 ( 25/06/2005 23:09)
tononkalo mahasondriana e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Kanto
Nampiditra : NyKanto
Daty : 22/10/2004 16:00
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0159