Avia (Ny Kanto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Avia manantona,
Fa efa nohadinoko
Ireo lesoka rehetra
Ary aza mba mifona
Satria mahari-pery
Ilay fitia nomaniko
Hatrizay tsy misy fetra

Ho anao tsy misy fetra

Fa mangidy ny tantely
Raha ianao no tsy eo.
Mijanona ny fiainako
Raha vao ilaozanao.
Ny foko tsy ahy intsony
Mamoa fitia tsy leo,
Mitempo any aminao.

Mifaningotra aminao


Ho tiako foana ianao.
Avia fa holalaiko.
Ka ny fara fofon’aiko
No hametra ny fitiavako
Fa tsy izay vita omaly
Eny, tena nampijaly
No handavako ny sitrako

Avia hanala koa ny tahotro

Ny Kanto. Desambra 1999
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1061 0
Hevitra mandeha
bichette ( 12/08/2004 14:21)
mampite hindramina ny tononkalonao, tsy angalarina akory a ! hi hi hi
NyKanto ( 12/08/2004 16:02)
Azonao adika malalaka tsara, izay anie ny antony hiseraserana eto fa aza adino fotsiny ny mpanoratra.

Ary maninona moa raha hindramina dia asiana feony, dia kaloina ... hum! mety tena tsara an!

Miandry ilay feony sy ilay mpihira.
Avia!!!!
Ny Kanto.
Oully ( 12/08/2004 19:31)
Zà ve mahazo mihira sy manao tsianjery? Sa mihinan-kanina ihany? :)
Ao fa hiezaka aho eh !!!
NyKanto ( 13/08/2004 08:02)
Arahaba soa arahaba tsara! tsy miandry afa-tsy ny fandraisanao anjara!!! ... ilay faniriana hiezaka koa deraiko satria mahatsara feo hono izany :-),
NyKanto
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Kanto
Nampiditra : NyKanto
Daty : 12/08/2004 11:17
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146