Ilay hira (Ny Kanto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Miventy ny alaheloko
Ilay hira mitoloko
Mahatonga fokofoko
Sy mamoha ny faniriako

Aiza hono no alehako
Hitadiavako anao?
Iza hono no horesahiko
Rahefa lasa ianao?

Fa tsy ho voasakan’ny saiko
Hono ireo ahiahy izay miseho
Eny, mila haningotra ny aiko
Hanentana ny foko hitoreo



Ny hany fiononako hono :
Fiandrandrako fo mahatoky
Sy Fitiavana miavosa avy aminao
Hameno ny banga ao anatiko ao

Ny Kanto, Ilay hira. 5 juin 2004. Brochant.
--------
Rohy:
1839 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Kanto
Nampiditra : NyKanto
Daty : 07/06/2004 06:59
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0134