Nentiny aho (Ny Kanto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nentiny aho dia faly sy nanaraka
Ho eny an’habaky ny lanitra fitiavany
Hankamamy azy sy tsy hamela hiraraka
Ireo kintana an’aliny am-bozony firavany

Vahobahotra ery, ireo tongotro tsy zatra
Mira dia mirindra, migadona amin’ny aminy
Tsy miteha-tany intsony fa ravo sy milafatra
Mandeha mandranto ‘reo kanto sy ny hamaminy

Nentiny aho hankao anaty torimasony
Hifampizara nofy, hanala hetaheta
Hihanoka hihaino ireo fitempotempon’
Ny fo vonto-pifaliana tsy mba manjoretra

Ny Kanto.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1440 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Kanto
Nampiditra : NyKanto
Daty : 25/07/2006 12:03
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098