Ny eny sy ny tsia (Ny Kanto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny Teny ENY sa moa TSIA
No tena irinao ?
ENY mbola tia, hiaritra hizara
Fitia tsy ho anao
Irery, sa TSIA tsy tia intsony
Kapoky ny fony
Hamono ny avelo sy hanala
Ny mangina
Hitondra tabataba amin'ny
Tontolonao sina?
...
Anoloanao ny ENY sy ny TSIA
Iza no tianao?
F'izaho raha mbola tia
Amin'ny toeranao
Dia aleoko aloha tsy handre
Hinia ho adalain'
Ilay Fitia tsy hita sy tsy re.

Ny Kanto. Novambra 2004
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1379 0
Hevitra mandeha
bichette ( 24/11/2004 18:19)
mipitrapitra ny maso... gagagaga .... izany ve ry nykanto ?
Malalason ( 25/11/2004 08:25)
ny ahy ny "tsia" no tiako zay vao ny "eny" ao anati'io no misy ny hasambarana
R. JO
jeroma ( 25/11/2004 13:12)
ny ahy indray ENy ry kanto an ,ny eny manko fanekena raha miteny ,ny TSIA toa mitory ny hiafaran'ny fitia , sa ahoana hoy ise
Njaka
NyKanto ( 25/11/2004 16:03)
Ny ENY Fiaretana
Ny ENY Faharetana
Ny ENY Fitiavana
Fa mety ihany ko ho :
ENY fitaka
ENY fisarahana
Izay ilay TSIA fahasambarana voalazan'i Malalason.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Kanto
Nampiditra : NyKanto
Daty : 24/11/2004 17:26
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0159